Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Toko faha-9

10 fa naman'ny hanina, sy fisotro ary fidiovana samihafa fotsiny, dia fitsipika momba ny nofo ihany, ary voadidy ambara-pihavin'ny andro fanoloana azy ihany. 24 Fa tsy mba fitoerana masina nataon-tànana sy tandindon'ny tena izy fotsiny no nidiran'ny Kristy, fa tany an-danitra mihitsy, mba hiseho eo anatrehan'Andriamanitra ho antsika ankehitriny. 25 Ary tsy mba toy ny mpisorombe niditra isan-taona tao amin'ny fitoerana masina sy nitondra ran-javatra hafa izy, ka hoe hanolo-tena matetika; 26 raha izany dia ho nijaly matetika izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa indray mandeha monja izy no niseho tamin'izao andro farany izao, mba hamongotra ny fahotana tamin'ny nanolorany ny tenany ho sorona. 27 Ary toy ny nandraiketana ny olona ho faty indray mandeha sy hotsaraina rahefa afaka izany 28 no nanoloran'ny Kristy ny tenany indray mandeha koa mba hanala ny fahotan'ny maro, sy mbola hisehoany tsy amin'ota fanindroany mba hamonjy izay miandry azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1015