Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'Izaia

Izaia toko 40, 25-31,

       <25Koa iza ary no hampitovinareo ahy, ka ho tahaka azy aho,
hoy ilay Masina?
       26Asandrato ny masonareo amin'ny eo ambony, ka mijere.
Iza no nahary ireo zavatra ireo?
Dia izay mampandeha milahatra ny tafik'ireo,
sy miantso azy rehetra amin'ny anarany avy;
ary noho ny haben'ny heriny sy ny hafatratry ny tanjany,
tsy misy midify ireny na dia iray aza.
       27Nahoana hianao, ry Jakoba, no milaza,
ary hianao koa, ry Israely, no miteny hoe:
Miafina amin'ny Tompo ny làlako,
ary takona eo anatrehan'Andriamanitra ny rariny ananako?
       28Tsy fantatrao va? tsy renao va?
Andriamanitra mandrakizay Iaveh,
izay namorona ny faran'ny tany;
izay tsy mba mety sasatra na vizana
ary tsy takatry ny saina ny fahendreny.
       29Manome hery an'izay sasatra izy
ary mampitombo tanjaka an'izay reraka.
       30Ny zatovo mety sasatra sy vizana,
ary ny tovon'olona mety hangozohozo.
       31Fa izay miankina amin'ny Tompo kosa, mahazo hery vaovao;
hisidina avo toy ny voromahery;
hihazakazaka, tsy hahalala sasatra;
handeha fa tsy hahatsiaro vizana. >