Bokin'Izaia

Toko faha-45

6 mba hahafantaran'ny olona, hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany fa tsy misy na inona na inona afa-tsy izaho! Izaho no Iaveh ary tsy misy hafa.

7 Izaho no mamorona ny mazava, sy mahary ny maizina; manao ny fiadanana sy mahary ny loza; izaho Iaveh no manao izany rehetra izany.

8 Ampidino, ry lanitra, ny andonao avy any ambony; ary aoka ny rahona handatsaka ny fahamarinana toy ny ranonorana! Aoka ny tany hisokatra, hahavokatra ny famonjena, ka hampitsimoka ny fahamarinana, miaraka amin'izany! Izaho Iaveh no mahary ireo zavatra ireo.

18 Fa izao no lazain'ny Tompo, izay nahary ny lanitra, izy dia ilay Andriamanitra namorona ny tany, sy nahavita ary nampiorina azy, ka tsy nataony ho zava-mifanjevo foana, fa nataony ho fonenana: Izaho no Iaveh, ary tsy misy hafa!

21 Antsoy izy ireo; asaovy manatona izy; ary aoka hiara-misaina avokoa izy! Iza no efa nilaza izany zavatra izany hatramin'ny voalohany, sy nanambara izany hatramin'ny ela? Tsy izaho Iaveh va? Ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy izaho; Izaho no Andriamanitra marina, ary tsy misy mpamonjy afa-tsy izaho.

22 Mitodiha atý amiko, dia hovonjena hianareo, hianareo rehetra mponina amin'ny tany, fa izaho no Andriamanitra, ary tsy misy hafa.

23 Efa nianiana tamin'ny tenako aho; ny marina no aloaky ny vavako, dia ny teny iray, izay tsy hofoanana: Ny lohalika rehetra handohalika amiko, ary ny lela rehetra hianiana amiko.

24 Izao no hilazan'ny olona ahy: Amin'ny Tompo irery no mitoetra ny fahamarinana sy ny hery! Hanatona azy ny olona; fa ho menatra kosa izay rehetra tezitra taminy.

25 Hohamarinina sy homem-boninahitra ao amin'ny Tompo avokoa, ny taranak'Israely rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0766