Bokin'Izaia

Toko faha-54

1 Mihobia an-kafaliana, ry momba, izay tsy niteraka; mampisehoa hafaliana sy firavoravoana lehibe, ry tsy mba nihetsi-jaza; fa ny zanak'ilay nariana no maro, noho ny zanak'izay manam-bady, hoy Iaveh.

2 Halalaho ny itoeran'ny lay, velaro ny ambaim-ponenanao, aza hazonina fa alefaso ho lava ny tadinao, ary aoreno mafy ny tsima-day!

3 Fa hitatra miankavanana sy miankavia hianao; ary haka fonenana amin'ny firenena ny taranakao; ary hanisy mponina amin'ny tanĂ na lao izy.

4 Aza matahotra, fa tsy ho menatra hianao; aza mangaihay, fa tsy hisy hahamenatra anao; fa hanadino ny henatry ny fahatanoranao hianao; ary tsy hahatsiaro intsony ny tondromaso, fony mpitondra-tena.

5 Fa ny vadinao dia ny Mpahary anao; Iavehn'ny tafika no anarany, ary ny Mpanavotra anao dia ilay Masin'Israely, Andriamanitry ny tany rehetra no iantsoana azy.

6 Hoatra ny vady nafoy sy tra-pahoriana, no ampodian'ny Tompo anao, hoatra ny vadin'ny fahatanorana efa nisaorana; hoy ny Andriamanitrao.

7 Vetivety foana, kelikely foana no nahafoizako anao, fa amin'indrafo lehibe kosa no amoriako anao.

8 Tamin'ny firehetan'ny hatezerako no nanafenako vetivety ny tavako taminao, fa amim-pitiavana mandrakizay kosa no angorahako anao, hoy Iaveh Mpanavotra anao.

9 Dia ho toy ilay ranon'i Noe izany amiko, nony nianiana aho fa ilay ranon'i Noe tsy hiely intsony amin'ny tany: toy izany koa no nianianako fa tsy ho tezitra aminao na handrahona anao intsony aho.

10 Na dia hihataka aza ny tendrombohitra, ka hihozongozona ny havoana, ny fitiavako tsy mba hiala aminao, ary ny fanekem-pihavanako tsy mba hikorontana, hoy Iaveh ilay mangoraka anao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0683