Bokin'Izaia

Toko faha-6

1 Tamin'ny taona nahafatesan'i Oziasa, mpanjaka, no nahitako ny Tompo, nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana avo sy manerinerina, ary nahafeno ny tempoly ny rebareban'akanjony.

2 Nisy Serafima nitoetra teo anatrehany; manan'elatra enina avy: ny roa nisaronany tava; ny roa nisaronany tongotra, ny roa nanidinany. 3 Niantso mafy izy ireo, nifamaly ka nanao hoe: Masina, masina, masina Iaveh'ny tafika! feno ny voninahiny ny tany rehetra. 4 Nihozongozona ny fanambanin'ny vavahady, noho ny feon'izay niantso mafy, ary tonga feno setroka ny trano.

5 Ka hoy aho tamin'izay: Loza ho ahy! maty aho! fa izaho olona maloto molotra; ary ny firenena hitoerako maloto molotra; nefa aho nahita maso ny Mpanjaka, Iavehn'ny tafika! 6 Kanjo, nanidina nanatona ahy, ny iray tamin'ireo Serafima, nitondra vain'afo teny an-tànany, nalainy tamin'ny tandra, teo ambony otely.

7 Nakasiny tamin'ny vavako izany, dia hoy izy: Jereo, efa voakasik'ity ny molotrao; ka voaesotra ny helokao, ary voaonitra ny fahotanao. 8 Dia nandre ny feon'ny Tompo aho, nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho any? Ka hoy aho: Inty aho; iraho aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3588