Bokin'Izaia

Toko faha-7

1 Tamin'ny andron'i Akaza, zanak'i Joatama, zanak'i Oziasa, mpanjakan'i Jodà, dia niakatra hanafina an'i Jerosalema, Rasima, mpanjakan'i Siria, niaraka tamin'i Fasea, zana-dRomelia, mpanjakan'Israely; nefa tsy nahafaka azy izy.

2 Nambara tamin'ny taranak'i Davida izany vaovao izany, fa hoe: Mitoby any amin'i Efraima i Siria. Tamin'izany nipararetra hoatra ny fanetsiky ny rivotra ny hazo an'ala ny fon'ny mpanjaka sy ny fon'ny vahoaka. 3 Dia hoy Iaveh tamin'Izaia: Mivoaha hianao sy Seara-Jasoba, zanakao, hitsena an'i Akaza eo amin'ny faran'ny lakan-dranon'ny kamory ambony, amin'ny làlan'ny sahan'ny mpamotsy lamba; 4 ka hianao hilaza aminy hoe: Mitandrema, mandria amim-piadanana, aza matahotra, ary aza rera-po foana hianao eo anatrehan'ireo tapa-porohana roa midonaka ireo, amin'ny fisafoak'i Rasima sy Siria, ary ny zana-dRomelia. 5 Noho i Siria nihevitra hampidi-doza anao mbamin'i Efraima sy ny zana-dRomelia nanao hoe:

6 Andeha isika hananika an'i Jodà, ka hampaharaiki-tahotra azy sy hananika azy ary hanangana ny zanak'i Tabeela ho mpanjaka ao;

7 noho izany dia izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Tsy ho vanona izany; tsy hisy izany!

8 Satria fa Damasa no lohan'i Siria, ary Rasina no lohan'i Damasa; ka dimy amby enimpolo taona sisa, dia hitsahatra tsy ho vahoaka intsony Efraima.

9 Ary Samaria no lohan'i Efraima, ny zana-dRomelia no lohan'i Samaria. Raha tsy mino hianareo, dia tsy haharitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1687