Epistola Katolika Nosoratan'i Md. Jakoba

Toko voalohany

1 Jakoba, mpanompon'Andriamanitra sy Jesoa-Kristy, miarahaba ny foko roa ambin'ny folo, izay miely any rehetra any.

2 Raiso ho fifaliana avokoa, ry rahalahy, ny fizahan-toetra samihafa rehetra midòna aminareo,

3 satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga fandeferana. 4 Ary aoka ny fandeferana homban'asa lavorary, mba ho lavorary sy tonga ohatra hianareo, ka tsy hisy zavatra tsy hanananareo. 5 Raha misy tsy manam-pahendrena aminareo, dia aoka izy hangataka izany amin'Andriamanitra, fa homeny azy tokoa izany; satria, sady manome malalaka ho an'ny olona rehetra izy no tsy mba mandatsa.

6 Aoka anefa hangataka amim-pinoana izy, fa tsy hisalasala; fa izay misalasala dia toy ny onjan-dranomasina atopatopa amana hetsiketsehin'ny rivotra. 7 Ka ny olona toy izany dia aza mba manampò hahazo zavatra amin'ny Tompo, 8 fa olona miroa saina sy mivadibadika amin'izay alehany rehetra. 9 Aoka ny rahalahy ambany toetra hanao ny fisandratany ho reharehany;

10 ary ny manan-karena kosa, ny fietreny ho voninahiny, fa hihelina toy ny vonin'ny ahitra izy. 11 Nony miposaka ny masoandro mahamay, dia mandazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny rehetra: toy izany koa ny mpanan-karena, halazo amin'izay alehany izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1508