Epistola Katolika Nosoratan'i Md. Jakoba

Toko faha-2

1 Ry rahalahy, aza asiana fizahan-tavan'olona ny finoana an'i Jesoa-Kristy Tompontsika be voninahitra.

2 Raha, ohatra, ka misy olona miditra amin'ny fivorianareo: ny iray miperatra volamena sy mitafy saro-bidy, ary ny iray kosa mahantra ratsy fitafiana, 3 ka ilay mitafy saro-bidy no jerenareo sy ataonareo hoe: Mipetraha hianao eto amin'ny toerana aloha; fa ilay mahantra kosa ilazanareo hoe: Mitsangàna erý, na mipetraha eto amin'ny fitoeran-tongotro; 4 moa tsy miangatra va hianareo amin'izany, sy tonga mpitsara ratsy hevitra loatra? 5 Henoy ange, ry rahalahy malalako: Moa tsy ny mahantra eo imason'izao tontolo izao va no nofidin'Andriamanitra ho mpanan-karena amin'ny finoana, sy ho mpandova ny fanjakana nampanantenainy an'izay tia azy?

6 Ary hianareo kosa ka ny mahantra indray no alanareo baràka! Moa tsy ny mpanan-karena va no mampahory anareo, sy mitarika anareo ho any amin'ny fitsarana? 7 Ary moa tsy izy ireny ihany koa va no miteny ratsy ny anarana tsara iantsoana anareo? 8 Raha hianareo mitandrina ny didy ambony indrindra voalazan'ny Soratra Masina hoe: Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao, dia manao tsara hianareo; 9 fa raha mizaha tavan'olona kosa hianareo, dia manota, ka helohin'ny Lalàna ho mpanota.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.08