Epistola Katolika Nosoratan'i Md. Jakoba

Toko faha-3

13 Iza eo aminareo no hendry sy manan-tsaina? Aoka hasehony amin'ny fitondrany tena tsara ny asan'ny halemem-panahy amam-pahendreny.

14 Fa raha fialonana mangidy sy fifampiandaniana no ao am-ponareo, dia aza mirehareha, fa mandainga manohitra ny marina. 15 Tsy mba fahendrena avy any ambony izany, fa avy amin'ny tany, sy ara-batana, ary avy amin'ny demony; 16 satria izay misy fialonana sy fifampiandaniana, dia tsy maintsy misy fikorontanana sy izao asa ratsy rehetra izao koa. 17 Fa ny fahendrena avy any ambony kosa dia madio aloha, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora toroana, be indra fo amana voka-tsoa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy. 18 Ary izay mampihavana dia mamafy ny vokatry ny fahamarinana amin'ny fihavanana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0541