Epistola Katolika Nosoratan'i Md. Jakoba

Toko faha-4

1 Avy aiza ny ady amam-pifandirana ao aminareo? Moa tsy avy amin'ny filan-dratsinareo izay miady ao anatin'ny nofonareo va?

2 Mitsiriritra hianareo, nefa tsy mahazo; mamono sy mialona hianareo, nefa tsy mety manana; mifanditra sy miady hianareo; ary hianareo no tsy mahazo, dia satria tsy mangataka hianareo; 3 mangataka hianareo, fa ratsy fangataka, dia ny hahazo izay hiaranan'ny filan-dratsinareo, ka tsy mahazo hianareo. 4 Ry mpisintaka mijangajanga ô, tsy fantatrareo va fa fankahalana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia milatsaka ho fahavalon'Andriamanitra.

5 Ary moa ataonareo ho teny foana va ny lazain'ny Soratra Masina hoe: Tia anareo sy saro-piaro anareo aza ny Fanahy izay nampitoeriny ao anatinareo? 6 Lehibe toy izany koa anefa ny fahasoavana omeny, araka ny lazain'ny Soratra Masina hoe: Manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, fa manome fahasoavana ny manetry tena. 7 Koa maneke an'Andriamanitra hianareo, ary manohera ny demony, dia handositra anareo izy. 8 Manatòna an'Andriamanitra, dia hanatona anareo izy. Diovy ny tànanareo, ry mpanota; ary ataovy mangarangarana ny fonareo, ry mpiroa saina. 9 Fantaro ny fahorianareo, ka manaova fisaonana, dia mitomania. Aoka hanjary ranomaso ny hehinareo, ary hody alahelo ny hafalianareo. 10 Manetre tena eo anatrehan'Andriamanitra, dia hanandratra anareo izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1291