Epistola Katolika Nosoratan'i Md. Jakoba

Toko faha-5

1 Anareo mpanan-karena kosa indray izao: Mitomania sy migogogogoa, fa indro ny lozanareo efa midona.

2 Ny harenareo efa lò; ny fitafianareo efa lanin'ny kalalao; 3 ny volamena sy volafotsinareo efa harafesina; ary ny harafesiny dia hiampanga anareo, sy handevona ny nofonareo toy ny afo. Efa nanangona hatezerana ho anareo ho amin'ny andro farany hianareo. 4 Indro, mitaraina ny karaman'ny mpiasa nijinja ny taninareo izay nofetsenareo; ary efa mbý ao an-tsofin'ny Tompon'ny tafika ny fitarainany. 5 Nivelona teto an-tany tamin'ny hanim-py hianareo sy nanaram-batana tamin'ny fahafinaretana; namoky ny fonareo tamin'ny andro fandringanana hianareo. 6 Nanameloka sy namono ny olo-marina hianareo, fa tsy nanohitra anareo izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0715