Epistola Katolika Nosoratan'i Md. Jakoba

Toko faha-5

9 Aza mifampimonomonona, ry rahalahiko, fandrao dia helohina hianareo. Indro efa mby eo am-baravarana anie ny mpitsara! 10 Aoka ny mpaminany, izay niteny tamin'ny anaran'Andriamanitra, ry rahalahy, no hataonareo fakan-tahaka ny fandeferana sy ny faharetana. 11 Indro ataontsika antso avo hoe sambatra izay efa nandefitra. Efa renareo ny niaretan'i Joba; ary efa hitanareo koa ny nataon'ny Tompo ho azy tamin'ny farany. Fa sady antra olona ny Tompo, no be indrafo indrindra. 12 Fa alohan'ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, dia aza mianiana akory, na amin'ny lanitra, na amin'ny tany, na amin'ny zavatra hafa; fa aoka ny fanaikinareo ho eny, ary ny fandavanareo ho tsia, mba tsy hiharan'ny fitsarana hianareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0449