Ny Jenezy

Toko faha-17

1 Nony efa sivy amby sivy folo taona Abrama dia niseho taminy Iaveh ka nanao taminy hoe: Izaho no Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra; mizora eo anatrehako ary aza manan-tsiny hianao;

9 Hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Ny aminao kosa, hitandrina ny fanekeko hianao, dia hianao sy ny taranakao amin'ny taona mifandimby.

10 Ka ny fanekena hotandremanareo, izay ifanekeko izaho sy hianareo sy amin'ny taranaka handimby anao, dia izao: Hoforàna avokoa ny lehilahy eo aminareo. 15 Hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Ny vadinao Saray tsy hataonao Saray intsony ny anarany fa Sarà no anarany.

16 Hasiako soa izy, ary izy koa hampiterahako zazalahy aminao. Hasiako soa izy ho tonga firenena maro, ary hisy mpanjakam-pirenena avy aminy. 17 Niankohoka tamin'ny tany Abrahama sady nihomehy nanao anakampo hoe: Lehilahy efa zato taona va ka dia mbola hiteraka indray! Ary Sarà, vehivavy efa sivy folo taona ve ka dia hiteraka! 18 Dia hoy Arahama tamin'Andriamanitra: Enga anie ka ho velona eo anatrehanao Ismaely! 19 Hoy Andriamanitra: Eny, hitera-dahy ho anao Sarà vadinao; hataonao hoe Isaaka no anarany; ary hanao fanekem-pihavanana aminy aho, dia fanekena mandrakizay ho an'ny taranany hanaraka azy. 20 Ny amin'Ismaely dia efa nihaino anao aho, ka efa nitso-drano azy aho; hataoko maro anaka izy, ary hampitomboiko be indrindra. Hiteraka andriana roa ambin'ny folo izy, ary hotongaviko ho firenena lehibe. 21 Ny fanekeko anefa dia haoriko amin'Isaaka, izay haterak'i Sarà, vadinao, ho anao, raha avin-taona toy izao. 22 Nony tapi-niteny tamin'i Abrahama Andriamanitra dia niakatra izy niala teo aminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2334