Ny Jenezy

Toko faha-19

15 Vao nangiran-dratsy ny andro, dia nododonan'ny Anjely Lota nataony hoe: Mitsangàna hianao, ento ny vadinao sy ireto zanakao roa vavy eto, fandrao dia maty hianao amin'ny loza hanasaziana ny tanàna.

16 Mbola nitaredretra anefa izy, dia noraisin'izy roa lahy tamin'ny tànany izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy, fa tian'ny Tompo ny hiaro azy, dia nentiny izy, navoakany tany ivelan'ny tanàna. 17 Nony tafavoaka izy, dia hoy ny iray tamin'ireo anjely: Mandosira fa mihatra amin'ny ainao izao, ka aza miherika any ivohonao ary aza miato na aiza na aiza eny amin'ny tany lemaka; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao maty hianao. 18 Hoy Lota tamin'izy ireo: Tsia Tompoko. Efa nahita fitia eo imasonao ihany ny mpanomponao: 19 ary efa naneho hatsaram-po lehibe tamin'ny mpanomponao hianao, tamin'ny namelanao ny aiko; nefa tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho, fa atahorako mihitsy ny ho tratry ny fandravana, ka ho faty. 20 Jereo fa misy tanàna akaiky hialofako itsy, sady tanàna kely foana, ka aoka re mba ho ao aho no handositra, fa kely rahateo io, dia ho velona aho. 21 Dia hoy izy taminy: Eny àry, ekeko ihany koa ny fangatahanao tsy handrava io tanàna lazainao io. 22 Fa mandehana faingana àry handositra ao fa tsy afa-manao na inona na inona aho, raha tsy efa tonga ao hianao. Izany no nanaovana ny anaran'io tanàna io hoe Segora. 23 Niposaka tamin'ny tany ny masoandro, dia tonga tao Segora Lota.

24 Tamin'izay dia nalatsak'Iaveh tamin'i Sodoma sy Gomora ny afo sy solifara avy any amin'ny Tompo any an-danitra, 25 ka nandrava ireo tanàna ireo, mbamin'ny tany lemaka rehetra, sy ny mponina rehetra tamin'ny tanàna, ary ny zava-maniry rehetra teo amin'ny tany. 26 Niherika ny vadin'i Lota, ka zary andry sira. 27 Nifoha maraina koa Abrahama, dia nankany amin'ilay toerana nijanonany teo anatrehan'ny Tompo.

28 Nitazana nankany Sodoma sy Gomora mbamin'ny tany lemaka rehetra izy, ka nahita setroka niakatra avy amin'ny tany toy ny setroka avy amin'ny memy. 29 Nahatsiaro an'i Abrahama Andriamanitra raha nandrava ny tanàna teo amin'ny tany lemaka, ka nanafaka an'i Lota tamin'ny fikorontanana izy, nony nanakorontana ny tanàna nonenan'i Lota.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1471