Ny Jenezy

Toko faha-22

1 Taorian'izany, nizaha toetra an'i Abrahama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: Ry Abrahama ô! Ary hoy izy: Inty aho.

2 Dia hoy Andriamanitra: Ento ny zanakao, ilay lahitokanao, ilay tianao, dia Isaaka, ka mankanesa any amin'ny tany Moria, ary rehefa mby any, atero izy ho sorona dorana eo ambonin'ny anankiray amin'ny tendrombohitra hatoroko anao. 9 Nony tonga teo amin'ny fitoerana natoron'Andriamanitra azy izy, dia naorin'i Abrahama teo ny otely; nalahany ny kitay hazo, ary nafatony Isaaka zanany, ka napetrany tambonin'ny otely eo ambonin'ny kitay.

10 Dia naninjitra ny tànany Abrahama ka nandray ny antsy hamonoana ny zanany. 11 Tamin'izay niantso tany an-danitra ny Anjelin'ny Tompo nanao hoe: Ry Abrahama! ry Abrahama ô! ka hoy ny navaliny: Inty aho. 12 Dia hoy ny anjely: Aza manainga ny tànanao hamely ny zaza, ary aza manino-maninona azy akory, fa efa hitako izao fa matahotra an'Andriamanitra hianao, sady tsy nandà hianao fa nahafoy ny zanakao, ilay lahitokanao ho ahy. 13 Ary nanopy maso Abrahama, ka nahita ondralahy anankiray teo ivohony, voasingazotry ny kirihitr'ala tamin'ny tandrony; dia lasa Abrahama naka ilay ondralahy, ka io no nateriny ho sorona dorana ho solon'ny zanany. 15 Ary ny anjelin'ny Tompo niantso an'i Abrahama fanindroany tany an-danitra, ka nanao hoe:

16 Efa nianiana tamin'ny tenako aho, hoy Iaveh, fa noho hianao nanao izany sy tsy nandà fa nahafoy ny zanakao, ilay lahitokanao, ho ahy, 17 dia hanisy soa anao aho, hahamaro ny taranakao tahaka ny kintana eny an-danitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina, ary ny taranakao hahazo ny vavahadin'ny fahavalony. 18 Amin'ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin'ny tany, satria nanaiky ny teniko hianao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1263