Ny Jenezy

Toko faha-23

1 Ny andro niainan'i Sarà dia fito amby roa-polo amby zato taona, izany no taona niainany.

2 Ary Sarà dia maty tany Kiriatarbe, dia Hebrona izany, any amin'ny tany Kanaana; ka tonga Abrahama hisaona an'i Sarà sy hitomany azy. 3 Dia nitsangana Abrahama niala teo anilan'ny maty, ka niteny tamin'ny zanak'i Heta hoe: 4 Olona hafa firenena sy vahiny eto aminareo aho, ka mba avelao aho hanana tany fandevenana eto aminareo, mba hisy hanalako ny fatin'ny vadiko tsy ho eto anoloako, sy handevenako azy. 5 Dia namaly an'i Abrahama ny zanak'i Heta, ka nanao taminy hoe: 6 Henoy izahay, Tompokolahy; andrian'Andriamanitra no eto aminay hianao, ka aleveno amin'izay fasana tsara indrindra eto aminay ny fatin'ny vadinao, fa tsy hisy aminay hiaro ny fasany aminao, tsy hametrahana ny fatin'ny vadinao. 7 Dia nitsangana Abrahama ka niankohoka teo anatrehan'ny vahoaka tompon-tany, dia ny zanak'i Heta,

8 ary nanao taminy hoe: Raha tianareo ny hanalako ny fatin'ny vadiko tsy ho eto anoloako ka handevenako azy, dia henoy aho, ary mangataha ho ahy amin'i Efrona, zanak'i Seora, 9 mba hafoiny ho ahy ny zohy ao Makpelà, izay azy, eo amin'ny sisin-tsahany, mba hafoiny ho ahy eto anatrehanareo, araka izay tokom-bidiny, hataoko tany fandevenana, tena ahy tokoa. 10 Ary Efrona nipetraka teo afovoan'ny zanak'i Heta. Efrona Heteana namaly an'i Abrahama teo anatrehan'ny zanak'i Heta, dia izay rehetra miditra ny vavahadin'ny tanànany; hoy izy taminy: 11 Tsia, Tompokolahy, fa henoy ny ahy; omeko anao ny saha; omeko anao koa ny zohy izay ao; ary eto anatrehan'ny zanaky ny fireneko no anomezako azy ho anao, ka aleveno ny fatin'ny vadinao. 12 Niankohoka teo anatrehan'ny vahoaka tompon-tany Abrahama, 13 ka niteny tamin'i Efròna teo anatrehan'ny vahoaka tompon-tany hoe: Aoka ihany re mba hohenoinao aho: Omeko ny vidin'ny saha, ka mba raiso amiko izany, dia haleviko ao ny fatin'ny vadiko. 14 Namaly Efròna ka nanao tamin'i Abrahama hoe: 15 Henoy ny ahy, tompokolahy: tanin'efa-jato sikla volafotsy io; ka zinona izany amiko sy aminao? Fa aleveno ny vadinao. 16 Nohenoin'i Abrahama i Efrona ka nolanjain'i Abrahama ny vola voalazany teo anatrehan'ny zanak'i Heta, dia volafotsy efa-jato sikla, araka ny fandraisan'ny mpivarotra azy. 17 Koa amin'izany ny sahan'i Efrona, ao Makpelà, tandrifin'i Mambre, dia ny saha sy ny zohy ao, mbamin'ny hazo ao anaty saha, ary ny hazo eny amin'ny sisiny manodidina;

18 dia tapaka ho fananan'i Abrahama eo anatrehan'ny zanak'i Heta, dia izay rehetra miditra ny vavahadin'ny tanànany. 19 Izay Abrahama vao nandevina an'i Sarà vadiny, tao an-johin'i Makpelà, tandrifin'i Mambre dia Hebrona izany, any amin'ny tany Kanaana. 20 Ka ny saha sy ny zohy ao anatiny dia tapaka lasan'i Abrahama, varo-maty, ho tany fandevenana, avy amin'ny zanak'i Heta.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0378