Ny Jenezy

Toko faha-27

1 Efa antitra Isaaka ka efa nanjavona ny masony ka tsy nahita intsony. Dia niantso an'i Esao zanany lahimatoa izy, ka nanao tamin'ny hoe: Anaka. - Ary hoy io taminy: Inty aho.

2 Dia hoy Isaaka: Hitanao fa efa antitra aho izao; ary tsy fantatro izay andro hahafatesako. 3 Koa ankehitriny, alao ny fitaovanao, dia ny tranon-jana-tsipikanao sy ny tsipikanao, ka mandehana any an-tsaha ka mamonoa biby fihaza ho ahy. 4 Dia anaovy nahandro tsara ho ahy izany, araka ilay tiako; ka ento aty amiko hohaniko, mba hitsofan'ny fanahiko rano anao, dieny mbola tsy maty aho. 5 Ary henon-dRebekà kosa ny nitenenan'Isaaka tamin'i Esao, zanany; dia lasa Esao nankany an-tsaha mba hiremby haza sy hitondra azy. 15 Ary nalain-dRebekà ny fitafian'i Esao, zanany lahimatoa, ny tsara indrindra, izay tao an-trano, ka nampitafiany an'i Jakoba, zanany lahiaivo. 16 Dia nofonosiny tamin'ny hodi-janak'osy koa ny tànany mbamin'ny malambolambo amin'ny vozony. 17 Izay vao nataony an-tanan-janany ny nahandro tsara sy ny mofo efa namboariny. 18 Dia nankao amin-drainy Jakoba, ka nanao hoe: Dada ô! - Inty aho, hoy Isaaka, iza moa hianao anaka?

19 Ary hoy Jakoba tamin-drainy: Izaho no Esao, zanakao lahimatoa. Vitako ny nasainao nataoko ka masìna hianao, miarena ary mipetraha hihinana ny hazako, mba hitsofan'ny fanahinao rano ahy. 20 Fa hoy Isaaka tamin-janany: Ahoana no dia nahazoanao faingana toy izany, anaka? Ka hoy Jakoba: Iaveh Andriamanitrao no nahatonga azy teo anoloako. 21 Manatòna àry, hoy Isaaka, mba hitsapako anao kely, na hianao tokoa no Esao zanako, na tsia. 22 Dia nanatona an-drainy Jakoba; ka hoy Isaaka nony nitsapa azy: Ny feony dia feon'i Jakoba, fa ny tànany dia tànan'i Esao. 23 Tsy nahalala azy izy, satria voloina tahaka ny an'i Esao, rahalahiny, ny tànany, ka dia nitso-drano azy. 24 Hoy izy: Marina tokoa va fa hianao no Esao, zanako? Ary hoy Jakoba: Izaho no izy. 25 Dia hoy Isaaka: Arosoy àry hohaniko izato hazan'ny zanako, mba hitsofan'ny fanahiko rano anao. Dia naroson'i Jakoba teo anoloany izany ka nihinana izy; ary notolorany divay koa; ka nisotro. 26 Rahefa izany, hoy Isaaka rainy, taminy: Manatòna hianao anaka, ka manoroha ahy.

27 Dia nanatona Jakoba ka nanoroka azy; ary nandre ny hanitry ny fitafiny Isaaka, ka nitso-drano azy, nanao hoe: Eny, ny hanitry ny zanako, dia tahaka ny hanitry ny saha voatso-dranon'ny Tompo. 28 Andriamanitra anie hanome anao amin'ny andon'ny lanitra sy amin'ny menaky ny tany; Mbamin'ny vary aman-divay an-kabetsahana! 29 Hotompoim-pirenena maro anie hianao, Hiankohofam-pirenena maro hianao, Ho tompon'ny rahalahinao anie hianao, Hiankohofan'ny zana-dreninao hianao, Ho voaozona anie izay hanozona anao, Fa hohasoavina kosa izay hanisy soa anao!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2931