Ny Jenezy

Toko faha-3

1 Ny bibilava no fetsy indrindra amin'ny biby rehetra eny an-tsaha izay nataon'ny Tompo Andriamanitra.

2 Hoy izy tamin-dravehivavy: Hay va re Andriamanitra nanao hoe: Aza mihinana amin'ny hazo rehetra amin'ny saha hianareo? Hoy ny navalin-dravehivavy ny bibilava: Mihinana amin'ny voan'ny hazo amin'ny saha izahay; 3 fa ny voan'ny hazo eo afovoan'ny saha no nanaovan'Andriamanitra taminay hoe: Aza mihinana amin'izany ary aza mikasika izany akory, fandrao maty hianareo. 4 Dia hoy ny bibilava tamin-dravehivavy: Tsia, tsy ho faty akory hianareo; 5 fa fantatr'Andriamanitra fa amin'izay andro hihinananareo amin'izany, dia hisokatra ny masonareo, ka ho tahaka an'Andriamanitra hianareo, mahalala ny tsara sy ny ratsy. 6 Ary hitan-dravehivavy fa ny voan'ilay hazo dia fihinana, mahate-hijery sy mendrika hoirina mba hahazoana fahiratan-tsaina; nioty tamin'ny voany izy, dia nihinana ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy, ary nihinana izy. 7 Nisokatra ny mason'izy mivady, ary fantany fa nitanjaka izy; ka nanjaitra ravin'aviavy izy ireo nataony sikina. 8 Tamin'izay dia ren'izy ireo ny feon'ny Tompo Andriamanitra nandalo tao amin'ny saha rahefa nangatsiatsiaka ny andro; ka niery an'ny Tompo Andriamanitra tao anaty hazon'ny saha ralehilahy sy ny vadiny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1295