Ny Jenezy

Toko faha-32

22 Tamin'iny alina iny ihany dia nitsangana izy, nalainy ny vadiny roa sy ny ankiziny roa vavy ary ny zanany iraik'ambin'ny folo lahy: dia nita tamin'ny fitàna tao Jabaoka izy.

23 Nalainy ireo nampitainy ny rano, ary nampitainy koa ny fananany. 24 Dia Jakoba irery sisa nijanona teo, ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy, mandra-pahazava-ratsin'ny andro.

25 Nony hitan-dralehilahy fa tsy naharesy azy izy, dia ny famavàn'ny feny no notendreny ka nivika tery ny fotopen'i Jakoba nandritra ny nitolomany taminy. 26 Dia hoy izy tamin'i Jakoba: Avelao aho handeha, fa efa hazava ratsy ity ny andro. Fa hoy Jakoba: Tsy avelako handeha hianao raha tsy efa nitso-drano ahy. 27 Dia hoy izy taminy: Iza no anaranao? Ary novaliany hoe: Jakoba. 28 Ka hoy izy : Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao; fa hatao hoe Israely; satria efa niady tamin'Andriamanitra sy tamin'olombelona hianao ka nahery. 29 Dia mba nanontany azy kosa Jakoba nanao hoe: Masìna hianao, mba ampahalalao ahy kely ny anaranao. Fa hoy izy: Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia nitso-drano azy teo izy. 30 Ary nataon'i Jakoba hoe Fanoely ny anaran'io tany io, fa hoy izy: Efa nahita an'Andriamanitra nifanatrika aho, nefa velona ihany ny aiko. 31 Nony niala teo Fanoely izy, dia indro hitany niposaka ny masoandro; nitolitsika anefa izy tamin'ny foto-peny. 32 Izany no tsy ihinanan'ny Zanak'Israely ny hozatra lehibe ao amin'ny famavàn'ny fe mandrak'androany, dia noho ny nanendren'Andriamanitra ny famavàn'ny fen'i Jakoba teo amin'ny hozatra lehibe.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0536