Ny Jenezy

Toko faha-37

3 Tian'Israely mihoatra noho ny zanany rehetra Josefa, fa zanaky ny fahanterany, ka nanaovany akanjo lava. 4 Nony hitan'ireo rahalahiny, fa tian-drainy mihoatra noho izy rehetra Josefa, dia nankahalainy izy, ka tsy zakany intsony ny hiteny aminy amim-pitiavana. 12 Nandeha niandry ny biby fiompin-drainy tany Sikema ireo rahalahin'i Josefa.

13 Ka hoy Israely tamin'i Josefa: Moa tsy miandry ny biby fiompy any Sikema va ny rahalahinao? Ka avia hianao hirahiko ho any amin'izy ireo. Dia hoy ny navaliny: Inty aho. 17 Ka hoy ralehilahy: Efa nifindra niala teto izy, fa reko niresaka hoe: Andeha isika ho any Dotaïna. Dia lasa Josefa nanaraka ny rahalahiny, ka nahita azy tany Dotaïna. 18 Mbola lavitra izy dia tazany, ka talohan'ny nahatongavany teo akaikiny, dia niray tetika hamono azy izy ireo.

19 Nifampiteny toy izao izy ireo: Indrý ery ilay mpanonofy; izy tokoa iny avy iny. 20 Andeha hovonointsika izy, ka hatsipintsika ao anatin'ny iray amin'ireto lavaka fantsakana ireto, sy holazaintsika hoe: nohanin'ny biby masiaka, ary ho hitantsika amin'izany izay hiafaran'ny nofiny. 21 Nandre izany Robena, ka namonjy azy teo an-tànan'ireo; hoy izy: Aza mamono azy isika. 22 Hoy Robena tamin'izy ireo: Aza mandatsa-drà, fa atsipazo ao anatin'io lavaka atý an'efitra io izy. Ka aza maninji-tànana aminy hianareo. Ny kendreny dia ny hanafaka azy eo an-tànan'ireo, mba hampodiany azy ho any amin-drainy. 23 Nony tonga teo amin'ny rahalahiny Josefa dia nendahany ny akanjony, ilay akanjo lava fitondrany.

24 Ka noraisiny izy, natsipiny tao anaty lavaka, ary maina ilay lavaka, ka tsy nisy rano. 25 Ary dia nipetraka nihinana izy ireo. Nony natopiny ny masony, dia hitany fa indreny misy Ismaelita niray dia avy any Galaada; ary ny entana nentin'ny ramevany dia astragala, ditin-kazo manitra, mbamin'ny ladanoma, ndeha havariny any Ejipta.

26 Ka hoy Jodà tamin'ireo rahalahiny: Inona no soa azontsika raha mamono ny rahalahintsika sy manafina ny rany isika? 27 Andeha hamidintsika amin'ny Ismaelita izy, fa aza maninji-tànana aminy isika, fa rahalahintsika sy nofontsika izy. Dia nihaino azy ireo rahalahiny. 28 Ka nony nandalo ireo mpandranto Madianita, dia nesoriny sy nakariny hiala tao an-davaka Josefa, dia namidiny roapolo farantsa vola fotsy tamin'ny Ismaelita, ka nentin'ireo nankany Ejipta.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0731