Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Jenezy

Jenezy toko 44, 18-21

       <18Ary tamin'izay Jodà nanatona an'i Josefa ka nanao hoe: Mihanta aminao aho, tompokolahy, mba hahazo alàlana ny mpanomponao hiteny indraim-bava eto anatrehan'ny tompoko, ka aoka tsy hirehitra amin'ny mpanomponao ny fahatezeranao, fa sahala amin'i Faraona hianao. 19Ny tompolahiko nanontany ny mpanompony hoe: Manan-dray na rahalahy koa va hianareo? 20Ary izao no navalinay ny tompoko: Manan-dray efa antitra izahay sy zandry farahaly, zanaky ny fahanterany; nanan-drahalahy io zaza io fa efa maty, dia izy irery no sisa tamin'izy iray reny, ka tian-drainy izy. 21Ary hianao nilaza tamin'ny mpanomponao hoe: Ento midina aty amiko izy mba ho hitan'ny masoko. >