Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Jenezy

Jenezy toko 46, 1-7
Jakoba sy ny ankohonany niala tany Kanaana, dia tonga niorim-ponenana tany Ejipta.

       1Dia niainga Israely nitondra izay rehetra nananany. Nony tonga teo Bersabea izy, dia nanolotra sorona tamin'ny Andriamanitr'Isaaka rainy. 2Ary Andriamanitra niteny tamin'Israely tamin'ny fahitana nony alina, nanao hoe: Ry Jakoba! Ry Jakoba! Ka hoy ny navalin'Israely: Inty aho. 3Dia hoy Andriamanitra: Izaho no Andriamanitra mahery, dia ny Andriamanitry ny rainao. Aza matahotra ny hidina any Ejipta, fa hataoko tonga firenena lehibe hianao any. 4Izaho hiara-midina aminao any Ejipta. Izaho ihany koa no hitondra anao hiakatra indray tokoa avy any, ary ny t├ánan'i Josefa no hanirina ny masonao.
       5Dia niainga Jakoba ka niala tao Bersabea; ary ny zanak'Israely nametraka an'i Jakoba rainy, mbamin'ny vadiny aman-janany, teo ambonin'ny sarety nalefan'i Faraona hitondrana azy. 6Nentiny koa ny biby fiompiny sy ny fananany nohariny tany amin'ny tany Kanaana. Dia nankany Ejipta Jakoba mbamin'ny fianakaviany rehetra. 7Nentiny nankany Ejipta niaraka taminy ny zanany aman-jafiny lahy, sy ny zanany aman-jafiny vavy, mbamin'ny ankohonany rehetra. >