Bokin'i Jeremia

Toko faha-13

1 Izao no nolazain'ny Tompo tamiko: Mandehana mividy fehin-kibo rongony madinika ho anao; ka ataovy amin'ny valahanao fa aza atao anaty rano.

2 Dia nividy ny fehin-kibo araka ny tenin'ny Tompo aho, ka nataoko tamin'ny valahako. 3 Tonga tamiko fanindroany indray ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:

4 Ento ilay fehin-kibo novidinao, izay efa eo amin'ny valahanao; ka mitsangàna, mandehana mankany Eofrata, afeno any, ao an-tsefatsefaky ny vatolampy izy. 5 Dia nandeha aho, ka nafeniko tao amoron'ny Eofrata izy, araka ny nandidian'ny Tompo ahy. 6 Nony afaka andro maro be, dia hoy Iaveh tamiko: Mitsangàna hianao, mandehana mankany Eofrata, alao ilay fehin-kibo nasaiko nafeninao any. 7 Dia nandeha nankany Eofrata aho, ka nihady, dia naka ilay fehin-kibo teo amin'ny fitoerana nanafenako azy; kanjo indrý, simba tsy azo atao na inona na inona intsony, ilay fehin-kibo. 8 Ary tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe: 9 Izao no lazain'ny Tompo: Toy izany no hahafoanako ny avonavon'i Jodà, sy ny avonavon-dehiben'i Jerosalema.

10 Ity vahoaka ratsy ity, izay tsy mety mihaino ny teniko, fa mandeha amin'ny ditran'ny fony, sy manaraka andriamani-kafa, mba hanompo azy sy hivavaka aminy, dia ho tahaka ity fehin-kibo ity tsy azo atao na inona na inona intsony ity.

11 Satria toy ny firaikitry ny fehin-kibo amin'ny valahan'ny olona, no nandraiketako ny taranak'Israely rehetra sy ny taranak'i Jodà rehetra tamiko, - teny marin'ny Tompo, mba ho vahoaka ho ahy izy ireo mba ho anarana, ho haja, ho voninahitra, nefa tsy nihaino ahy izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0869