Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Jeremia

Jeremia toko 17, 5-10,

       <5Izao no lazain'ny Tompo:
Ho voaozona ny olona
izay mitoky amin'olombelona,
sy manao ny nofo ho sandriny,
ary miala amin'ny Tompo ny fony!
       6Manahaka ny anjavidy eny an-tany lava volo izy,
ary rahefa misy hasambarana tonga, tsy ifaliany;
honina amin'ny tany karankaina any an'efitra,
any amin'ny tany sira, tsy misy mponina!
       7Hohasoavina ny olona
mitoky amin'ny Tompo,
sy manantena an'ny Tompo ho tokiny!
       8Manahaka ny hazo nambolena eo amoron-drano izy,
mandatsaka ny fakany mankany amin'ny rano mandeha;
tsy matahotra rahefa tonga ny hainandro,
sady maitso ravina mandrakariva;
tsy manahy izay taona fahamainana izy,
ary tsy mitsahatra ny mamoa.
       9Mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fo,
sady simba: iza no hahalala azy?
       10Izaho Iaveh izay mandinika ny fo,
sy mamantatra ny voa;
ary ny hanaovako izany, dia mba hamaly ny olona araka ny làlany,
sy araka ny vokatry ny asany. >