Bokin'i Jeremia

Toko faha-18

1 Ny teny nataon'ny Tompo tamin'i Jeremia, toy izao:

2 Mitsangàna hianao, ka midìna ho any an-tranon'ny mpanefy tanimanga, ary any aho hampandre anao ny teniko. 3 Dia nidina ho any an-tranon'ny mpanefy tanimanga aho; ka indro izy nanao ny tao-zavany teo amin'ny ankodina fiasàny.

4 Ary tsy vanona kosa ny vilany nataony, araka izay mety hahazo ny tanimanga eny an-tànan'ny mpanefy, ka nanao vilany hafa, araka izay tiany hatao indray, ny mpanefy tanimanga. 5 Dia tonga tamiko ny tenin'ny Tompo toy izao: 6 Moa aho tsy mahazo manao aminareo, toraky ny nataon'io mpanefy tanimanga io, ry taranak'Israely? - teny marin'ny Tompo. Eny, toy ny tanimanga eo an-tànan'ny mpanefy, hianareo eo an-tànako, ry taranak'Israely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0893