Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Jeremia

Jeremia toko 18, 18-20,

       <18Dia hoy izy ireo: Andeha, hiray tetika
hamely an'i Jeremia isika;
fa tsy ho faty ny lalàna ao amin'ny mpisorona,
na ny hevitra ao amin'ny hendry,
na ny tenin'Andriamanitra, ao amin'ny mpaminany!
Andeha hasiantsika amin'ny vavantsika izy,
ary aza manongilan-tsofina amin'ny teniny isika.
       19Atongilano amiko, ny sofinao, ry Iaveh,
ary henoy ny feon'ireo mandrafy ahy!
       20Dia ratsy va no havaly ny soa,
no dia mihady lavaka ho an'ny fanahiko izy ireo?
Tsarovy ny nitsanganako teo anatrehanao,
hiteny aminao mba ho azy ireo,
hampiala ny hatezeranao amin'izy ireo! >