Bokin'i Jeremia

Toko voalohany

1 Tenin'i Jeremia, zanak'i Helkiasy, iray amin'ireo mpisorona any Anatota, amin'ny tanin'i Benjamina.

4 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:

5 Efa fantatro talohan'ny namoronana anao tao am-bohoka hianao, ary raha mbola tsy naloaky ny kibon-dreninao hianao, dia efa nohamariniko; notendreko ho mpaminany ho an'ny firenena.

6 Dia hoy aho: Indrisy, Iaveh Tompo ô, tsy mahay miteny aho fa zaza.

7 Fa hoy Iaveh tamiko: Aza manao hoe: Zaza aho, fa handeha ho any amin'izay rehetra anirahako anao hianao, ary hilaza izay rehetra handidiako anao.

8 Aza manana izay tahotra akory hianao eo anatrehan'izy ireo, fa momba anao hamonjy anao aho, - teny marin'ny Tompo!

9 Dia naninjitra ny tànany Iaveh, ka nanendry ny vavako, ary hoy Iaveh tamiko: Indro ataoko eo am-bavanao ny teniko;

10 ary indro aho anio manendry anao, ho eo amin'ny firenena amam-panjakana, hanongotra sy hanjera, hamery sy handrava, hamboly sy hanorina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2121