Bokin'i Jeremia

Toko faha-26

1 Tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Jodàkima, zanak'i Josiasa, mpanjakan'i Jodà, no nahatongavan'izao teny izao, avy amin'ny Tompo, ho amin'i Jeremia.

2 Izao no lazain'ny Tompo: Mitsangàna hianao eo an-kianjan'ny tranon'ny Tompo, ka lazao amin'izay avy amin'ny tanànan'i Jodà rehetra izay tonga hivavaka ao an-tranon'ny Tompo, ny teny rehetra nasaiko hambaranao aminy; aza misy amelana na dia teny iray aza.

3 Angamba hihaino ihany izy, ka samy hiverina hiala amin'ny làlan-dratsiny avy; dia hanenenako ny loza nokasaiko hamelezana azy, noho ny haratsian'ny ataony. 4 Lazao aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Raha tsy manaiky ahy hianareo ka tsy manaraka ny lalàna nataoko eo anoloanareo; 5 tsy mihaino ny tenin'ny mpaminany mpanompoko, irahiko ho any aminareo, sady nirahiko hatramin'ny vao maraina, kanefa tsy nohenoinareo, 6 dia hataoko tahaka an'i Silao ity trano ity, ary hataoko fanozonana amin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany, ity tanàna ity. 7 Ren'ny mpisorona amam-paminany mbamin'ny vahoaka rehetra ny nilazan'i Jeremia ireo teny ireo, tao an-tranon'ny Tompo.

8 Nony tapitra voalazan'i Jeremia avokoa izay nasain'ny Tompo nolazaina amin'ny vahoaka rehetra, dia nosamborin'ny mpisorona amam-paminany mbamin'ny vahoaka rehetra izy, sady nataony hoe: Ho faty hianao! 9 Ahoana no aminanianao amin'ny anaran'ny Tompo hoe: Ho tahaka an'i Silao ity trano ity, ary ho lao tsy misy mponina ity tanàna ity? - Dia nitangoronan'ny olona rehetra tao an-tranon'ny Tompo Jeremia.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0653