Bokin'i Jeremia

Toko faha-31

1 Amin'izany andro izany, - teny marin'ny Tompo, Izaho ho Andriamanitry ny fianakaviana rehetra amin'Israely, ary izy ireo ho oloko.

2 Izao no lazain'ny Tompo: Nahita fitia tany an'efitra ny vahoaka afaka tamin'ny sabatra; ta-hanome fitsaharana an'Israely aho.

3 Niseho tamiko tany lavitra tany Iaveh. Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao; izany no nampaharetako ny famindram-po aminao.

4 Izaho hanorina anao indray, dia ho voaorina indray hianao, ry virjinin'Israely; hiramarama amin'ny ampongatapakao indray, ary hamindra amin'ny dihy fifaliana.

5 Hamboly ny tanim-boalobokao indray hianao any an-tendrombohitr'i Samaria: izay mamboly, hamboly ka hioty.

6 Fa efa avy ny andro, hiantsoan'ny mpiambina any amin'ny tendrombohitr'i Efraima hoe: MitsangĂ na hianareo, ka andeha isika hiakatra any Siona, ho any amin'ny Tompo Andriamanitsika!

7 Fa izao no lazain'ny Tompo: Mihobia an-kafaliana, ny amin'i Jakoba, manaova firavoravoana, noho ny amin'ilay lohan'ny firenena; ataovy re ny feonareo, mihirĂ  hira fiderana, ka lazao hoe: Ry Iaveh, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin'Israely!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1359