Bokin'i Jeremia

Toko faha-7

1 Izao no teny natao tamin'i Jeremia, tamin'ny anaran'ny Tompo, dia toy izao:

2 Mitsangàna eo am-bavahadin'ny tranon'ny Tompo, ka eo no torio izao teny izao, ataovy hoe: Mihainoa ny tenin'ny Tompo hianareo rehetra lehilahy amin'i Jodà, izay miditra amin'ireto vavahady ireto, hivavaka amin'ny Tompo. 3 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Ahitsio ny làlanareo aman'asanareo, dia hamponeniko amin'ity tany ity hianareo.

4 Aza matoky ny teny laingan-dry zareo manao hoe: Ity no tempolin'ny Tompo, tempolin'ny Tompo, tempolin'ny Tompo!

5 Fa raha ahitsinareo ny làlanareo aman'asanareo; raha tsarainareo marina ny adin'ny olona amin'ny namany,

6 raha tsy ampahorinareo ny vahiny, sy ny kamboty amam-pitondratena; ary tsy mandatsa-dra marina amin'ity tany ity hianareo, na manaraka andriamani-kafa, hampidi-doza aminareo,

7 dia hamponeniko amin'ity tany ity hianareo; amin'ity tany efa nomeko ny razanareo hatramin'ny andro taloha ka hatramin'ny mandrakizay.

8 Kanefa ny itokianareo dia teny lainga, tsy mahasoa anareo velively akory!

9 Aiza ka dia avy mandainga, mamono olona, maka vadin'olona, mianian-tsy to, manemboka an'i Baala, ary manaraka andriamani-kafa tsy fantatrareo hianareo!

10 dia tonga, dia miseho eto anatrehako indray, eto amin'ity trano iantsoana ny anarako ity, ka manao hoe: Ho afaka isika! Ary ny mba hanao izany fahavetavetana rehetra izany no anton'izany.

11 Moa zohy fieren'ny mpangalatra eo imasonareo va, ity trano iantsoana ny anarako ity? Izaho koa mba nahita izany, - teny marin'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1566