Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-11

19 ka maro tamin'ny Jody no tonga tao amin'i Marta sy Maria mba hitsapa alahelo azy noho ny nahafatesan'ny anadahiny. 20 Vantany vao ren'i Marta fa hoe tamy Jesoa, dia nandeha nitsena azy izy, fa Maria no nijanona tao an-trano.

21 Dia hoy Marta tamin'i Jesoa: Raha tatý hianao, Tompoko, dia tsy maty ny anadahiko. 22 Ary na dia izao aza, dia fantatro fa na inona na inona hangatahinao amin'Andriamanitra, dia homen'Andriamanitra anao. 23 Hoy Jesoa taminy: Hitsangana ny anadahinao. 24 Fa hoy Marta taminy: Fantatro fa hitsangana izy amin'ny farandro fitsanganan'ny maty. 25 Hoy Jesoa taminy: Izaho no fananganana sy fiainana; izay mino ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray; 26 ary izay rehetra velona ka mino ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va hianao? 27 Eny, Tompoko, hoy izy taminy, mino aho fa hianao no Kristy Zanak'Andriamanitra velona, ilay hoe ho tonga amin'izao tontolo izao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0569