Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Joany toko 13, 16-20

       <16Lazaiko marina dia marina aminareo: Ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony; na ny iraka tsy ambony noho izay naniraka azy. 17Raha fantatrareo izany, dia ho sambatra hianareo raha manao izany. 18Tsy hianareo rehetra no antsoiko (fantatro izay nofidiko); fa mba ho tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: Izay miara-mihina-mofo amiko no nanainga ny ombalahin-tongony hamely ahy. 19Ilazako izany hianareo ankehitriny dieny mbola tsy tanteraka izany, mba hinoanareo rahefa tanteraka fa izaho no izy. 20Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mandray izay hirahiko, dia mandray ahy; ary izay mandray ahy, dia mandray izay naniraka ahy. >