Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-13

16 Lazaiko marina dia marina aminareo: Ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony; na ny iraka tsy ambony noho izay naniraka azy.

17 Raha fantatrareo izany, dia ho sambatra hianareo raha manao izany. 18 Tsy hianareo rehetra no antsoiko (fantatro izay nofidiko); fa mba ho tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: Izay miara-mihina-mofo amiko no nanainga ny ombalahin-tongony hamely ahy. 19 Ilazako izany hianareo ankehitriny dieny mbola tsy tanteraka izany, mba hinoanareo rahefa tanteraka fa izaho no izy. 20 Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mandray izay hirahiko, dia mandray ahy; ary izay mandray ahy, dia mandray izay naniraka ahy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0515