Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Joany toko 14, 21-26
<21Izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia ahy; ary izay tia ahy, dia hotian'ny Raiko, sy hotiako koa, ka haneho ny tenako aminy aho. 22Ary Jodasy, tsy ilay Iskariota, nanao taminy hoe: Ahoana, Tompoko, no itiavanao haneho ny tenanao aminay ihany, fa tsy amin'izao tontolo izao koa? 23Namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Raha misy tia ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka hotian'ny Raiko, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy. 24Fa izay tsy tia ahy kosa, dia tsy mba mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo, dia tsy ahy, fa an'ny Ray izay naniraka ahy.
       25Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo aho. 26Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina, izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo. >