Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-15

18 Raha halan'izao tontolo izao hianareo, dia fantaro fa izaho no halany talohanareo.

19 Raha olon'izao tontolo izao hianareo, dia hotian'izao tontolo izao izay azy; fa noho hianareo tsy olon'izao tontolo izao, dia halan'izao tontolo izao hianareo. 20 Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony. Raha nenjehina aho, dia hoenjehina koa hianareo; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa. 21 Fa hataony aminareo izany rehetra izany noho ny anarako, satria tsy fantany ilay naniraka ahy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0493