Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-16

5 Tsy mbola nolazaiko taminareo izany tamin'ny voalohany, satria mbola teto aminareo aho; fa ankehitriny handeha ho any amin'ilay naniraka ahy aho, ka tsy misy aminareo manontany hoe: Ho aiza hianao? 6 Fa noho izaho nilaza izany taminareo, dia feno alahelo ny fonareo. 7 Milaza ny marina aminareo anefa aho fa mahasoa anareo ny handehanako; satria raha tsy mandeha aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpanafaka alahelo; fa raha mandeha aho, dia haniraka azy ho atý aminareo. 8 Ary rahefa tonga izy, dia handresy lahatra an'izao tontolo izao ny amin'ny fahotana, sy ny amin'ny fahamarinana, ary ny amin'ny fitsarana: 9 ny amin'ny fahotana, satria tsy mino ahy izy ireo; 10 ny amin'ny fahamarinana, satria mankany amin'ny Ray aho, ka tsy ho hitanareo intsony; 11 ary ny amin'ny fitsarana, satria voatsara sahady ny mpanapaka izao tontolo izao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1135