Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-18

33 Dia niditra tao an-trano Pilaty, ka niantso an'i Jesoa sy nanao taminy hoe: Moa mpanjakan'ny Jody va hianao? 34 Jesoa namaly hoe: anao samy irery izany teny izany, sa an'olon-kafa nilaza ahy taminao? 35 Dia namaly Pilaty nanao hoe: F'izaho angaha Jody? Ny firenenao sy ny mpisoronao no nanolotra anao tamiko, ka inona no nataonao? 36 Jesoa namaly hoe: Tsy anisan'izao tontolo izao ny fanjakako: fa raha anisan'izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny oloko, ka tsy ho voarain'ny Jody aho; fa tsy anisan'izao tontolo izao ny fanjakako.

37 Dia hoy Pilaty taminy: Koa mpanjaka izany hianao? Ary novalian'i Jesoa hoe: Efa voalazanao. Mpanjaka aho. Teraka aho, sy tonga taty an-tany mba hanambara ny marina, ka izay rehetra mpanaraka ny marina, dia mihaino ny feoko.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2225