Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-20

11 Fa Maria kosa nijanona nitomany teo ivelan'ny fasana. Ary teo am-pitomaniana, dia niondrika nitsirika ny tao anaty fasana izy,

12 ka nahita anjely roa niakanjo fotsy, nipetraka tao amin'izay nipetrahan'ny vatan'i Jesoa, ny iray teo an-doha, ary ny iray teo an-tongotra. 13 Dia hoy izy ireo taminy: Ravehivavy, nahoana no mitomany hianao? Ka hoy izy namaly ireo: Satria nalain'olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany azy. 14 Nony avy nilaza izany izy dia nitodika, ka nahita an'i Jesoa nitsangana teo, nefa tsy fantany hoe Jesoa io. 15 Ary hoy Jesoa taminy: Ravehivavy, nahoana no mitomany hianao? Iza no tadiavinao? Nataony ho mpiandry saha io, ka hoy izy taminy: Raha hianao re no naka azy, Tompoko, mba atoroy ahy kely izay nametrahanao azy, hangalako azy. 16 Dia hoy Jesoa taminy: Ry Maria! Dia nitodika izy ka nanao taminy hoe: Rabony! (izany hoe Mpampianatra). 17 Aza mikasika ahy, hoy Jesoa taminy, fa mbola tsy niakatra tany amin'ny ray aho, fa mandehana mankany amin'ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin'ny Raiko sy ny rainareo aho, ary any amin'Andriamanitro sy Andriamanitrareo. 18 Dia lasa Maria Madelena ka nilaza tamin'ny mpianatra hoe: Efa nahita ny Tompo aho, ary izany no nolazainy tamiko.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1124