Evanjely Masin'i Jeso-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Joany toko 21. 15-17

       15 Nony avy nisakafo izy ireo, dia hoy Jeso tamin'i Simona Piera: Ry Simona zanak'i Joany, moa tia ahy mihoatra noho ireto va hianao? Ka hoy ny navaliny azy: Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako hianao. Dia hoy izy taminy: Fahano ny zanak'ondriko. 16 Ary hoy indray izy taminy fanindroany: Ry Simona zanak'i Joany, moa tianao va aho? Ka hoy ny navaliny azy: Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako hianao. Dia hoy izy taminy: Fahano ny zanak'ondriko. 17 Ary hoy indray izy taminy fanintelony: Ry Simona zanak'i Joany, moa tianao va aho? Dia nalahelo Piera fa nontaniany fanintelony hoe: Moa tia ahy va hianao? ka hoy izy taminy: Hianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko, ka fantatrao fa tiako hianao. Dia hoy izy taminy: fahano àry ny reniondriko.