Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-3

31 Izay avy any ambony no ambonin'ny olona rehetra; fa izay avy amin'ny tany dia tany, ka ny ety an-tany ihany no lazainy. Izay avy any an-danitra no ambonin'ny olona rehetra;

32 ary izay efa hitany sy reny no ambarany, nefa tsy misy mandray ny fanambarany. 33 Izay nandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra. 34 Satria izay nirahin'Andriamanitra dia milaza ny tenin'Andriamanitra fa tsy misy fetrany no fanomen'Andriamanitra ny Fanahy. 35 Ny Ray tia ny Zanaka, ka napetrany eo am-pelatànany ny zavatra rehetra. 36 Izay mino ny Zanaka no manana ny fiainana mandrakizay, fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita ny fiainana, fa itoeran'ny hatezeran'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0228