Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-3

7 Aza gaga hianao noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray hianareo. 8 Ny rivotra mitsoka amin'izay tiany ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany; tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy. 9 Dia namaly Nikodema ka nanao taminy hoe: Atao ahoana no hahatonga izany?

10 Ary hoy Jesoa taminy: Mpampianatra amin'Israely hianao ka tsy mahalala izany va? 11 Lazaiko marina dia marina aminao fa izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay, nefa tsy raisinareo ny filazanay. 12 Raha tsy mino ahy hianareo amin'ny filazako ny zavatra ety an-tany, hataonareo ahoana no fino ny filazako ny any an-danitra? 13 Ary tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy izay nidina avy tany an-danitra ihany, dia ny Zanak'olona izay any an-danitra. 14 Tahaka ny nanandratan'i Moizy ny bibilava tany an'efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona koa, 15 mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.129