Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-5

33 Naniraka tany amin'i Joany hianareo, ary nanambara ny marina izy. 34 Tsy dia ny fanambarana avy amin'olona anefa no iankinako, fa ny mba hahavoavonjy anareo no hilazako izany. 35 Joany dia jiro nirehitra sy nazava, ka nahafinaritra anareo sy nifalianareo vetivety ny fahazavany. 36 Fa manana fanambarana manoatra ny an'i Joany aho, satria ny asa nomen'ny Ray hovitaiko sady ataoko tokoa no manambara fa iraky ny Ray aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0836