Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-6

16 Nony hariva ny andro, nidina nankeny amoron-dranomasina ny mpianany,

17 dia niondrana tamin'ny sambo kely ka nita ny ranomasina ho any Kafarnaoma. Efa alina ny andro tamin'izay, nefa tsy mbola tonga teo aminy Jesoa, 18 ary nanonja ny ranomasina, fa nifofofofo mafy ny rivotra. 19 Rahefa nivoy tokony ho dimy amby roa-polo na telo-polo stady izy ireo, dia nahita an'i Jesoa nandeha teny ambony ranomasina sy nanatona ny sambo kely, ka natahotra. 20 Fa hoy izy taminy: Izaho ihany, fa aza matahotra. 21 Dia naniry handray azy ho eo an-tsambo kely izy ireo, ka niaraka tamin'izay dia tafatody tamin'ny tany nokasainy haleha ny sambo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1175