Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-6

35 Dia hoy Jesoa taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino ahy tsy hangetaheta mandrakizay.

36 Fa efa voalazako taminareo, fa nahita ahy hianareo, nefa tsy mino. 37 Izay rehetra omen'ny Ray ahy no hanatona ahy, ary izay manatona ahy dia tsy horoahiko any ivelany, 38 satria izaho no nidina avy any an-danitra dia tsy ny hanao ny sitra-poko, fa ny sitra-pon'izay naniraka ahy. 39 Ary izao no sitra-pon'izay naniraka ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny ahy, fa ny mba hananganako azy amin'ny farandro. 40 Satria izao no sitra-pon'ny Raiko izay naniraka ahy, dia ny mba hahazo ny fiainana mandrakizay izay rehetra mahita ny Zanaka ka mino azy, ary izaho hanangana azy amin'ny farandro.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0245