Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-6

44 Tsy misy olona mahay manatona ahy akory raha tsy taomin'ny Ray izay naniraka ahy, ary izaho hanangana azy amin'ny farandro. 45 Voasoratra ao amin'ny mpaminany hoe: Hampianarin'Andriamanitra izy rehetra. Koa izay rehetra nahare tamin'ny Ray ka nianatra taminy no manatona ahy. 46 Tsy dia hoe nisy nahita ny Ray akory: fa ilay avy amin'Andriamanitra no hàny nahita ny Ray. 47 Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mino ahy no manana ny fiainana mandrakizay. 48 Izaho no mofon'aina.

49 Ny razanareo nihinana ny mana tany an'efitra, nefa maty ihany; 50 tsy toy izany ny mofo nidina avy any an-danitra, fa tsy ho faty izay mihinana azy. 51 Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0538