Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-6

52 raha misy mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay izy, ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan'izao tontolo izao. 53 Dia nifanditra ny Jody nanao hoe: Hataon'ilay io ahoana àry no fanome antsika ny nofony hohanina? 54 Fa hoy Jesoa tamin'izy ireo: Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'olona hianareo sy tsy misotro ny rany, dia tsy manana ny fiainana ao aminareo. 55 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana ny fiainana mandrakizay; ary izaho hanangana azy amin'ny farandro. 56 Fa tena fihinana ny nofoko, ary tena fisotro ny rako. 57 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako, dia mitoetra ao anatiko, ary izaho ao anatiny. 58 Velona ny Ray naniraka ahy, izaho koa dia velona amin'ny Ray: toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana ahy. 59 Izany àry no mofo nidina avy any an-danitra: tsy mba tahaka ny razanareo izay nihinana mana nefa maty ihany; fa izay mihinana ity mofo ity kosa dia ho velona mandrakizay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1137