Bokin'i Joba

Joba toko 25
Lahatenin'i Baldada: Tsy misy olona madio eo anatrehan'Andriamanitra masina indrindra.

       1 Dia niteny Baldada avy any Sohe, ka nanao hoe:
       2 Azy ny fanapahana sy fampatahorana,
fiadanana no ampanjakainy any amin'ny fonenany avo.
       3 Azo isaina va ny miaramilany?
Ary zovy no tsy iposahan'ny fahazavany?
       4 Ahoana no hahamarina ny olombelona eo anatrehan'Andriamanitra?
Ahoana no hahadio izay tera-behivavy?
       5 Ny volana aza, latsa-pahazavana,
ny kintana aza, tsy madio eo imasony!
       6 Ka mainka izay olombelona kankana foana,
sy izay zanak'olombelona olitra tsy manjary!