Bokin'i Joba

Toko faha-27

1 Mbola niteny indray Joba hoy izy:

2 Amin'Andriamanitra velona izay manda tsy hanome rariny ahy, amin'ny Tsitoha izay mameno zava-mangidy ny aiko,

3 raha mbola manam-pofon'aina koa aho, ka mbola eo am-bavoroko ny fofon'ain' Andriamanitra;

4 dia tsy hisy tsy marina hotonoin'ny molotro, tsy hanonon-dainga ny lelako.

5 Lavitra ahy izay hihevitra ny anareo ho marina, fa hiaro ny tsy fananako tsiny aho mandra-pahatapitry ny aiko.

6 Efa nanomboka nanamarina ny tenako aho, tsy hitsahatra amin'izany, tsy misy androko anomezan'ny foko tsiny ahy na dia iray aza.

7 Fitondra olon-dratsy anie no ho anjaran'ny fahavaloko, ary anjaran'ny tsy mivavaka anie no ho an'ny mpanohitra ahy!

8 Inona no ho fanantenan'ny tsy mivavaka, raha fognoran'Andriamanitra izy, raha alany ny ainy?

9 Moa Andriamanitra hihaino izay fitarainany akory va, amin'ny andro hamelezan'ny fahoriana azy?

10 Mahita firavoravoana ao amin'ny Tsitoha va izy? Manao fivavahana mandrakariva amin'Andriamanitra va izy?

11 Hotoroako ny fitondra'Andriamanitra hianareo, ary tsy hanafenako ny hevitry ny Tsitoha.

12 Tenanareo rehetra aza no efa nahita maso izany! ka nahoana hianareo no mandahadahatra foana?

13 Izao no anjara natokan'Andriamanitra ho an'ny ratsy fanahy, sy lova azon'ny mpanao an-keriny, avy amin'ny Tsitoha.

14 Raha maro anaka izy, ho anjaran'ny sabatra ireny; ary ny solofony tsy mba ho voky hanina.

15 Ny sisa velona aoriany, hasitrika amin'ny fahafatesana, ny mpitondratenany tsy mba hitomany azy.

16 Na hahangona volafotsy hoatra ny fasika aza izy, ka hampiavosa fitafiana hoatra ny fotaka,

17 fanangonana no azy, fa ny marina no hitondra ireny; ny tsy manan-tsiny no handova ny volanao.

18 Ny tranony toy ny ataon'ny kalalao, manahaka ny trano bongo aorin'ny mpiandry tanim-boaloboka.

19 Mandry ny manan-karena, dia izay no farany; manokatra ny masony izy, dia maty eo.

20 Saforan'ny fampahatahorana toy ny rano be izy; paohin'ny tafio-drivotra mamaton'alina.

21 Ongoahan'ny rivotra avy any atsinanana izy, dia tsy hita, fa tsoahany an-keriny eo amin'ny fonenany.

22 Fafazan'Andriamanitra ny zana-tsipikany, tsy ananany antra izy; Ka taitra mandositra tsy ho tratry ny tanany;

23 itehafan'ny olona izy, avy eo an-trano nitoerany, dia anakorana azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0987