Bokin'i Joba

Toko faha-28

1 Misy toerana ihadiam-bolafotsy, misy toerana fanadiovam-bolamena.

2 Ny vy alaina avy amin'ny tany; ny vato arendrika hahazoana varahina.

3 Mampisava ny aizina ny olona, hatrany anatin'ny hantsana izy no mikaroka ny vato miafina ao amin'ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana.

4 Mihady lalana izy lavitry ny tany onenana, tsy fantatry ny tongotry ny velona; tafahantona mitsingevaheva lavitry ny olombelona.

5 Ny tany ihavian'ny hanina, voakorontana aty toa voan'ny afo.

6 Ny vatony no itoeran'ny safira, sy ahitana vovo-bolamena.

7 Ny vorom-pihaza tsy mahita ny lalana any, ny masom-papango tsy mahatazana azy;

8 ny biby dia tsy nandia izany, ny liona koa tsy nandalo tany na oviana na oviana.

9 Ny olombelona maninji-tanana amin'ny vatomainty, manozongozona ny tendrombohitra hatramin'ny fotony;

10 mandavaka lalana anatin'ny valolampy; tsy misy zava-tsarobidy tsy hitan'ny masony.

11 Mahay manampina ny rano mananika izy, ary mitondra ny miafina rehetra ho eo amin'ny mazava.

12 Fa aiza kosa no ahitana ny Fahendrena? Aiza no fitoeran'ny Fahalalana?

13 Ny olombelona tsy mahay manombana azy; ny tanin'ny velona tsy ahitana azy.

14 Fa hoy ny hantsana: Tsy ato anatiko izy; ny ranomasina milaza hoe: Tsy aty amiko izy.

15 Ny volamena madio tsy mahatakalo azy, na lanjam-bolafotsy ohatrinona aza tsy mahavidy azy.

16 Tsy ampifandanjaina amin'ny volamena avy any Ofira izy, na amin'ny berila sarobidy na ny safira.

17 Ny volamena amam-pitaratra tsy azo ampitahaina aminy; na kapoaka volamena madio tsy mahatakalo azy.

18 Ny voahangy amam-batomazava, tsy mendrika hotononina akory, fa mihoatra noho ny voahangy ny fahazoana ny fahendrena.

19 Ny topaza avy any Etiopia tsy mahatoraka azy, ary ny volamena madio tsy mahatratra ny vidiny.

20 Koa avy aiza ary ny fahendrena? Aiza ny fitoeran'ny fahalalana?

21 Miafina amin'ny mason'ny velona rehetra izy, ary takona amin'ny voron'ny lanitra.

22 Hoy ny ambanin'ny tany sy ny fahafatesana: Filazana azy fotsiny no mba renay.

23 Andriamanitra no mahalala ny lalana mankany aminy; izy no mahafantatra izay misy azy.

24 Fa izy mahita ny hatrany amin'ny fara vazan-tany, mahatsinjo ny ambany lanitra rehetra.

25 Fony izy nandamina ny lanjan'ny rivotra, nanao ny rano tao amin'ny mizana,

26 namoaka lalana ho an'ny ranonorana, nanori-dalana ho an'ny tselatry ny varatra,

27 dia nahita sy nilaza azy izy, namorona azy sy nahatakatra ny zava-miafina ao aminy.

28 Izay izy vao nilaza tamin'ny olombelona nanao hoe: Ny fahatahorana ny Tompo, dia izay no fahendrena, ny mandositra ny ratsy, dia izay no fahalalana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0753