Bokin'i Joba

Toko faha-30

1 Fa ankehitriny kosa aho, fihomehezan'ny olona tanora noho izaho, izay tsy ho noraisiko akory ny rain'izy ireo fahizany, hatao eo amin'ireo amboa miandry ny ondriko.

2 Ho nataoko inona moa izay herin-tsandrin'ireny? tsy manan-pahavitrihina akory ireny.

3 Kaozatry ny fahoriana amam-kanoanana izy, dia miraotra ny efitra, izay tany karankaina, tsy misy zava-maniry hatrizay ela izay.

4 Mitsongo tsimokazo mangidy any amin'ny hazo kely milobolobo izy, ary tsy manan-kanina afa-tsy ny fakan-kofafam-bohitra.

5 Roahina tsy ho eo amin'ny fikambanan'olombelona izy; sady iantsoantsoana toy ny amin'ny mpangalatra.

6 Ka dia monina any an-dohasaha mahatsiravina, any amin'ny zohin-tany sy any amin'ny haram-bato.

7 Antsoantson'olon-dia no re ataony any an-kirihitrala, ary mitangorona mandry any anaty roimainty izy.

8 Olona adala sy taranaky ny tsy misy hajany ireny, ka roahina amim-panesoana amin'ny tany onenana.

9 Kanjo izaho indray izao no ataony an-kira, ataony ambetinteny,

10 ataony zava-betaveta aho, andosirany: tsy aviliny tsy hankamin'ny tavako ny tsipi-drorany.

11 Manaram-po foana izy manevateva ahy, tsy mahalala fetra eo anatrehako.

12 Olona tsinontsinona no mitsangana eo an-kavanako, ka mitady hanosika ny tongotro, misava ny lalana hamonoana hatraty amiko.

13 Dia noravany ny lalako: ny handringana ahy no imasoany, izy ireo izay tsy ho nanana olo-mamonjy.

14 Toy ny amin'ny fefy banga be no irotsahany amiko, dia miantoraka ao amin'ny korontan-javatra.

15 Ka voasaron'ny fampahatahorana aho; ny fahafinaretako voafaoka toy ny rivotra, ny fiadanako nandalo toy ny rahona.

16 Ary ankehitriny ny fanahiko mihanaka toy ny rano ao anatiko, ny andron'ny fahoriana mangeja ahy.

17 Ny alina misokitra ny taolako, mihinana azy: ny loza mikiky ahy tsy mitsahatra.

18 Noho ny hamafiny efa tsy mitana ny endriny intsony ny akanjoko, fa mangeja ahy toy ny akanjovity;

19 nazeran'Andriamanitra ao anaty fotaka aho, ka tahaka ny vovoka aman-davenona aho izao.

20 Mitaraina aminao aho, nefa tsy valianao akory; mitsangana aho, nefa jerenao fotsiny.

21 Tonga loza be amiko hianao; asianao amin'ny herin'ny sandrinao rehetra aho.

22 Alainao aho, ampanidininao araka izay itondran'ny rivotra ahy aho, ary foananao amin'ny fifofofofon'ny tafio-drivotra.

23 Satria, fantatro izany, fa entinao ho amin'ny fahafatesana aho; any amin'ny ifamatoran'ny manan'aina rehetra.

24 Kanefa tsy hanandra-tanana va izay efa ho faty, ary tsy handefa feo miantso va izay mby an-tanan-doza?

25 Tsy efa nandatsa-dranomaso tamin'ny ory va aho? Tsy efa nangoraka ny mahantra va ny foko?

26 Nanandrandra fiadanana aho, ka fahoriana no tonga, nanantena fahazavana aho, ka aizina no mitranga.

27 Mandevilevy tsy mety miato ny tsinaiko; nifantoka amiko ny androm-pahoriana.

28 Mitsaitsaika amim-pisaonana, tsy misy masoandro aho; matoa mitsangana aho eo am-pivoriana, dia handefa fitarainana foana.

29 Nanjary rahalahin'ny amboadia aho, sy tonga naman'ny zanak'ostritsa.

30 Ny hoditro mielakelaka, mivolom-balala maty; ny taolako mirehitra azon'ny afo ao anatiny.

31 Tsy mandefa afa-tsy feom-pisaonana ny lokangako, ary feo mitoreo ihany no avy amin'ny sodiko.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.901